Entry | 1 Mpiandry omby |
Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
Elementary words | 3 mpiandry, omby |
Vocabulary | 4 Literature: poems |
Author |
5 Andriarimalala René |
Full text |
6 Injany re tsitapitapy 7 Any an-tendrombohitra any 8 Ny firefotry ny japy. 9 Rivorivo be mifioka ! 10 Izay nandraraka an'izany? 11 Tovolahy mampiady sioka. 12 Mpiandry omby maro andiany 13 Mihosy ahitra efa hoto 14 Fa avy ny hariva hodiany. 15 Sady milalao no miasa, 16 Misakana omby tsy hifanoto; 17 Fa nivadika ny rasa… 18 Ka manenjana salaka 19 Ny vantobanto-jazalahy 20 Manao tolona sy daka. 21 Manatanja-tena izy 22 Ho mahery toa ombalahy 23 Fa efa maika tsy ho ankizy! |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |